Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – Mada 2018 : hidona amin’ny Askam ny Sab-Nam

Kitra vehivavy – Mada 2018 : hidona amin’ny Askam ny Sab-Nam

Ny Askam Itasy hifandona amin’ny FC Sab-Nam Analamanga ary ny Mifa, hikatroka amin’ny Asot, izay samy avy amin’ny ligin’Analamanga. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, baolina kitra vehivavy. Fihaonana, hotanterahina ny alakamisy ho avy izao.

Hiendrika famaranana kely ireo fihaonana ireo satria ny samy sangany no hifampitana. Mandra-piandry izany, tontosa, omaly talata tany amin’ny kianja Carion Manjakandriana, ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Mbola misongadina hatrany ny Askam avy any Itasy, nanamontsana ny AS Comato, avy any Atsimo Andrefana, tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 0. Nofaizin-dry Christinah mihitsy ny tovovavin’i Toliara satria toy ny nanaovan-dry zareo fanazarantena fotsiny. Tetsy ankilany, niondrika teo anatrehan’ny Mifa, tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, 3 no ho 2, ny FC Sab-Nam. Nisaraka tamin’ny isa mitovy 1 sy 1 ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Nahazo fandresena ihany koa ny Ascuf Matsiatra Ambony, raha nikatroka tamin’ny Som Boeny. Nisaraka tamin’ny isa 3 no ho 1 ny roa tonta ary 3 no ho 0 kosa ny nandavoan’ny Asot ny Prescoi Vakinankaratra.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.