Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick boxing : voafidy hitantana ny federasiona i Mamibe

Kick boxing : voafidy hitantana ny federasiona i Mamibe

 Tontosa, omaly, ny fifidianana filoha hitantana ny federasiona malagasin’ny kick-boxing, mandritra ny efa-taona. Lany tamin’ny isam-bato 100 isan-jato, i Mamibe, tamin’ny latsa-bato, natao.

 Rasolofotafika Andrianome Mamindraibe (Mamibe) no lany hitondra ny federasiona malagasin’ny kick-boxing. Nahazo vato 100 isan-jato izy, nandritra ny fifidianana, notontosaina, omaly talata tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nandany azy tamin’izany ireo ligim-paritra miisa 9, tonga nandatsa-bato : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Menabe, Boeny, Matsiatra Ambony.

Raha tsiahivina, tsy nisy afa-tsy kandidà roa ihany ny nifaninana tamin’ity : i Mamibe sy Rakotonandrasana Alexandre. Olona tsy zovina amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena i Mamibe satria sady mpikatroka no efa mpitantana ny klioban’ny Zanakala. Nisaotra ny rehetra ny tenany, taorian’ny fahavitan’ny fifidianana. “Tsy ho an’ny klioban’ny Zanakala irery intsony ny tenako fa efa filohan’ny zanak’i Madagasikara rehetra”, hoy izy. Tsy adinony ny nankasitraka ny mpitantana teo alohany, izay nomarihiny fa tena nahavita be. Hiezaka izy hanao ny tsaratsara kokoa noho izay efa tontosa.

Nanamarika ihany kosa nefa ingahy filoha vaovao fa nisy lesoka ny teo amin’ny lafiny fitsarana ka ezahiny harenina amin’ny alalan’ny fampiofanana izany. “Ilaina ny fiofanana, noho izany, hampanaovina izany avokoa ireo teknisianina rehetra, miainga amin’ny tale teknika nasionaly, izay efa notendrena omaly : ny Me Anigael Gastros”, hoy izy.

Anisan’ny fandaharanasan’i Mamibe ny hametraka sekolin’ny kick-boxing, manomboka amin’ny ankizy fito taona, izay efa nosantarina tao amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Ankoatra izay, fanambin’ny filoha sy ny ekipany ny hametraka ligy 22 manerana ny Nosy. Nanatrika ary nanome ny fankatoavana sy ny fahamarinan’ny fivoriambe ny talen’ny fanatanjahantena federaly, Rakotozafy Rosa.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.