Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo ; Resaky ny mpitsimpona akotry :Mivadi-potaka ity, hatrany amin’ny tsinainy no loarana

Asa vaventy ity no anaovana fampisehoana amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Tsy adinon’ireo tompon’andraikitra ny takelaka manambara fa etsy ny CUA, eny amin’ny

« chantiers » maro ny minisiteran’ny Asa vaventy no tompon’antoka. Toa lasa ifaninanana izy ity. Izany indray ve moa sanatria no itadiavana antony itarainana. Raha tsy ranon’anony ka tonga namana indray vao ho mavomavo? Ravoravo mahita ny tompon’andrikitra mandray adidy. Manoloana ny haratsin’ny làlana eran’ny tanàna izay toy ny tongo-bakivaky ka sady mangirifiry no mahamenatra. Efa very saina sy toky be ihany, nefa noho ny toetrandro tsy mitsahatra manorana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra dia lasa fanontaniana. Diso aoriana sa lasa aloha ireto fanaovana asa ireto? Tsy sangisangy na safosafo fotsiny anie fa tena asa vadi-drano ary ny tena marina aza dia lasa avi-potaka. Teny ambanin’Antanimena amin’iny làlana mankany Ankorondrano, iny Andrefan’ Ambohijanahary, miala avy eo Anosikely ka hatrany akaikin’ny Toby Ratsimandrava, eny Ankorahotra amin’iny Route Circulaire miala kely avy amin’ny sampanana mankany Ankatso, ny tsinain’ny làlana mihitsy no loarana, lasitra vaovao no rafetin’ireo orin’asa miantoka ny fanatanterahana ny asa. Izay be fanetren-tena tsy miseho anarana. Asa na fotoana izao, mpitazana ny tena nefa be ahiahy ihany.  Tsy simban’ny orana alina ve ny zavatra nokojaina ny atoandro ? Samy manam-pahaizana na ny mpanapaka ka ny mpiantoka asa, ny fahatezana ao aoriana no hitsarana na rariny na tsia ireo fandaniana ireo. Samy hanana ny heviny avokoa ny olon-drehetra. Volam-panjakana no ampiasaina amin’izany fandaniana izany. Aza taitra anefa fa tsy ny simba rehetra no nahazo fanamboarana toy izao. Raha ny haratsin’ny làlana rehetra no atao resaka, tsy haharaka ny kitapom-bola. Izay kely vita no vonjivonjena, ny fifidianana manatona be ihany tsy maintsy mihetsika na manao fihetsiketsehana arak’izay. Izay angamba no mahamaika, ny tondra-drano anefa etsy andaniny efa manambana ary tsy arak’izay no ihazakazahana eo amin’ny fiantsorohana ny asa vaventy mikasika ny fanadiovana ny fantsona sy lakan-drano famarinana ny rano sy riaka any amin’ny renirano ho any Farahantsana. Rehefa tondraka ny rano, dia samy hanao fihetsika te hanao toy ny mahazatra amin’ny fampisehoana firaisan-kina sy  fitondrana famonjena ho an’ny tra-boina.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.