Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana : mamely ny gripa mahery, tazo, fivalanana

Fahasalamana : mamely ny gripa mahery, tazo, fivalanana

 Tsy mifidy na lehibe na kely fa tratry ny gripa mahery sy fanaviana avokoa amin’izao fotoana izao. Ilaharana ny dokotera eny amin’ny CSB II sy ny dokotera tsy miankina. Mitovitovy avokoa ny trangan’aretina.

Mikohaka sy voan’ny sery, manakotsako ny vanin-taolana, marary an-doha, manavy sy vizana ary tsy mety mahazo hafanana. Malain-komana ary mandoa mihitsy indraindray, tsy mahatafiditra sakafo. Reraka ny marary ary miakatra hatramin’ny 39°C ny mari-pana, tsy mety mahazo aina.

Toy izany ny fisehon’ny aretina. Manome fanafody fampidinana hafanana sy “antibiotique” ny dokotera hanasitrana ny aretina. Maharitra dimy andro hatramin’ny fito andro ny fitsaboana vao manomboka mahita fahasitranana ny marary.

Mamely ny ankizy madinika ihany koa ny aretim-pivalanana sy mandoa sady miakatra hafanana.

Betsaka ireo tonga manatona tobim-pitsaboana. Mora reraka ny zazakely rehefa tratry ny fivalanana sy mandoa ka mila manolo haingana ny rano very. Hifanotofana eny amin’ny mpivarotra fanafody ny “hydrazinc” sy ny SRO manolo ny rano very. Misy mihitsy ireo zaza tsy maintsy miditra hopitaly ka alefa amin’ny “serum” ny fanafody hanavotana ny ainy.

Gripa mahery no lazain’ny dokotera fa mamely amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa ny tazo. Matetika aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ny mampirongatra ireo aretina ireo. Mila hamafisina ny hery fiarovana, indrindra ho an’ny ankizy sy ny reny bevohoka, mba tsy ho tratra satria marefo izy ireny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.