Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

DHL Madagascar : mpiasa mendrika taona 2017 i Rado Andry Hubert

DHL Madagascar : mpiasa mendrika taona 2017 i Rado Andry Hubert

 Voasokajy ho mpiasan’ny taona 2017 i Rado Andry Hubert, tanora nobeazina ao amin’ny toeram-pandraisana SOS Village d’enfants Vontovorona. Anisan’ny mpianatra nahazo ny mari-pahaizana “licence en géstion” ny tenany ary nanao fianarana asa teo anivon’ny orinasa DHL. Voaray ho mpiasan’ny DHL izy ny taona 2014 tao anatin’ny tetikasa niarahana amin’ny Telma. Iray amin’ireo ray mpiahy ny tanora manao fianarana asa ao amin’ny DHL i Rado Andry Hubert, araka ny fanazavana azo. Isan-taona, fomba fanaon’ny mpitantana ny orinasa ny mifidy mpiasa nisongadina teo amin’ny asa sy ny fifandraisana amin’ny samy mpiasa. Iray amin’ireo dimy voasokajy ny tenany taorian’ny fifidianana nataon’ny mpiasa.

Natolotra, ny herinandro lasa teo teny Antaninarenina, ny taratasy manamarika izany mpiasan’ny taona 2017 izany niaraka amin’ny fankasitrahana avy amin’ny tomponandraikitry ny orinasa DHL. Mampiavaka ny orinasa ny mankasitraka ny ezaky ny mpiasa tahaka izao.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.