Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampefiloha : saron’ny polisy i Solo sy ny namany

Ampefiloha : saron’ny polisy i Solo sy ny namany

Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Solo sy ny namany, jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy ny vaky trano. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA1 Ampefiloha niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona ry zalahy ireto. Voarohirohy noho ny vaky trano sy harom-paosy izy ireo. Monina eny Avaratr’Antanimora i Solo raha eny Alasora koa ireo namany, araka ny tatitra avy amin’ny polisy. Noho ny fihetsika nasehon’izy roa lahy no nahatonga ny andrimasom-pokonolona eny Ampefiloha niahiahy hoe mpamaky trano izy roa lahy ireto. Nosavaina izy roa lahy ka tratra tany anaty kitapon’ny iray amin’izy ireo ny fitaovana saika hoentina hamaky trano. Raha nanontaniana ny momba ireo fitaovana ireo izy roa lahy, nilaza fa mpibata entana eny Anosibe ny asany ary ireo fitaovana ireo dia fampiasany famahana kesika. Tratra tao am-panendahana olona nandeha taxi-be kosa ny jiolahy iray naman’izy ireo. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.