Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy : tohanana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha

Ambatovy : tohanana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha

Mitohy ny fanohanan’ny Tetikasa Ambatovy ny tantsaha any amin’ny distrika Brickaville sy Toamasina II, nanomboka ny desambra 2017 teo, ary hifarana ny tapaky ny volana febroary 2018. Hamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny lafiny teknika sy ny lafiny fitantanana amin’ny fandraharahana. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fahaiza-mitarika, ny fiainana anaty kaoperativa, ny mikasika ny lalàna mifehy ny seha-pihariana isan-tsokajiny. Miisa 10 ny kaoperativa nofanina, misehatra amin’ny fiompiana akoho amam-borona, ny fambolena tamotamo, katsaka, voankazo, sns. Niarahana tamin’ny sampandraharaham-paritry ny indostria Atsinanana ny fiofanana. Atao any amin’ny foiben’ny kaoperativa isanisany ny fiofanana, mba handraisan’ny mpikambana tsirairay anjara.

Tambajotran-drano

Ankoatra izany, misy koa ny fanofanana ny fikambanan’ny mpampiasa rano, mifanandrify amin’ireo fotoana ireo. Mikasika ny fitantanana sy ny fikojakojana ny tambajotran-drano ny fiofanana, iarahan’Ambatovy miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny fampiroboroboana ny eny ambanivohitra ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana Atsinanana. Miisa 35 ny fikambanana mpampiasa rano notohanan’Ambatovy, ka any Brickaville ny 23 ary any Toamasina II ny 12.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.