
Noraisin’ny talen’ny fanatanjahantena, teny amin’ny toeram-piasany eny Ambohijatovo, omaly talata, ireo filohana ligim-paritra 11, amin’ny ady totohondry, nangataka fampiantsoana fivoriambe, hamahana ny olana eo anivon’ity haiady ity, tao anatin’ny 48 ora, taorian’ny fihaonan’izy ireo, ny alakamisy 25 janoary lasa teo.
Nambaran’ny talen’ny fanatanjahantena tamin’izany fa mijanona ho rafitra mpanapa-kevitra, eo amin’ny ady totohondry, ireo ligim-paritra. Noho izany, nilaza ity tomponandraikitra ity fa mbola mijanona ho filoha lefitry ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (FMBO) Andriamanampisoa Gege Bosco, araka ny nandanian-dry zareo azy, tamin’ny fifidianana. Afaka manohy ny asany izany i Gege Bosco, izay tsiahivina fa anisan’ny
nampifoha tamin’ny torimasony indray ny ady totohondry rehefa natory nandritra ny fotoana maro, ary nampiverina ny lazan’i Madagasikara indray teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Kongo Brazzaville, ny volona jona 2017, ka nahazoana tapakila tokony ho niatrehana ny ho tompondaka eran-tany, tany Hambourg Alemaina. Noho io vokatra tsara azon’i Madagasikara io, nilaza ny filohan’ny “juge arbitre” aty Afrika fa handefa manampahaizana hampiofana
ny mpitsara malagasy, amin’ity taona 2018 ity.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.