Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiahin’ny 26 janoary : nentina am-bavaka ny AAA

Tsiahin’ny 26 janoary : nentina am-bavaka ny AAA

Tsy nandalo fotsiny. Nentina am-bavaka avokoa, omaly ireo orinasa AAA/Tiko amin’izao faha-9 taon’ny “Alatsinainy mainty”, ny taona 2009, izao.  Nanaovana izany avokoa  ny tetsy Behoririka, Tanjombato ary ny any Antsirabe.  “Efa fanaonay isan-kerinandro  ny fotoam-pivavahana tahaka  izao saingy, nomarihina manokana noho ny 26 janoary 2009. Tsy azo  hadinoina izany eo amin’ny tantaran’ny orinasa.  Maherin’ny 50% ny fahapotehana sy fahasimbana nefa niarina izany”, hoy ny tale  jeneraly, Rabenantoandro Lanto, tetsy Behoririka, omaly. Nanteriny anefa fa mety ho fifandrifiana izao antsojay mahazo ny  AAA/Tiko  izao, 9 taona aty aoriana amin’ny hanakatonana azy. “Tsy maintsy mitraka isika  ary tsy hiraviravy tanana fa hiasa anaty finoana. Tsy fahavalo akory izy ireo saingy tsy maintsy mijoro  ho mpandresy isika”, hoy ihany izy. Nialohavan’ny toritenin’ny mpitandrina, Andrianandrianina Hary, izany ka  nilazany  fa tokony hifamelana  heloka sy  hahay hisaotra an’Andriamanitra isika.

Tsiahivina fa mbola mikatona tanteraka amin’izao fotoana izao ny AAA/Tiko ao Antsirabe.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.