Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny fahaiza-mitantana : fandaharanasa azo tanterahina, tsy nofinofy ny an-dRajoelina

Taratry ny fahaiza-mitantana : fandaharanasa azo  tanterahina,  tsy nofinofy ny an-dRajoelina

Hafa mihitsy fa tsy tahaka ny an’ny mpitondra, natao teny Iavoloha, afakomaly.  Tandrametaka sy kitoatoa ary petatoko sady tsy misy fototra fa  novolavolaina  tao anatin’ny telo andro monja.

Vina sy fandaharanasa efa  voaomana nandritra ny taona maro, azo tanterahina  fa  tsy  nofinofy,  anefa  ny  an’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina,   nambara,  omaly  tao Paris. Matihanina tanteraka ary mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny eto amintsika.

Vahaolana maharitra ho an’ny firenena

Mitondra fahombiazana ho an’ireo mpampiasa vola ary nitondrany koa ny vahaolana matotra sy mazava  ho an’ny firenena. Nandray anjara amin’ireo fihaonana na fivoriana stratejika ho an’ny fampandrosoana maneran-tany ny tenany nandritra ny fotoana maro, araka ny nambarany. “Nihaonako  amin’ireo tompon’andraikitra samihafa ka  nahafahako nahita  vahaolana maharitra hanarenana ny firenena.  Vahaolana matotra niainga amin’ireo asa natao sy fikarohana ary  fandalinana niarahana amin’ireo manampahaizana  vahiny  sy teratany izany. Azo hanaingana indray ny fahataran’ny fampandrosoana ny firenentsika ity “Finiavana  ho amin’ny fisandratan’i Madagasikara” (IEM)  nataonay ity”, hoy  izy.  Nambarany fa anisan’ny tafiditra ao anatin’io  ny vahaolana mahomby sy ireo  tetikasa mahasahana ny sehatra hampiroboroboana ny toekarena  hiantraika amin’ny sosialim-bahoaka.

Ny  haha firenena misandratra antsika  aty Afrika

Samy nitondra vahaolana isan-tsehatra avy ireo teknisianina sy manampahaizana vahiny sy teratany  ao amin’ny IEM. “Fanamby apetrakay ny haha firenena misandratra an’i Madagasikara  aty Afrika manoloana izao toerana misy azy,  faran’ny mahantra indrindra maneran-tany, izao. Firenena tanora isika… Mihevitra ny hoavin’ireo tanora 70%  amin’ny mponina izahay, ho amin’ny fahaiza-mitarika sy fahaizana mandraharaha.  Afaka  miatrika ny olan’ny fanabeazana sy ny  fampianarana, ny tsy fananana asa, ny tsy fisian’ny fialamboly…”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, nambarany ho antony nanaovana ny famelabelarana sy adihevitra momba ity vina IEM ity any Paris ny maha kihon-dalana azy eo amin’ny lafiny jeografia. Eo koa ny maha toerana ifaneraseran’ny maro ny ao an-toerana  sady ahafahan’ireo mpiara-miombona antoka stratejika sy ara-bola any Eropa mitondra fanohanana .

Maika ny vahaolana ho an’ny vahoaka…

Ahitana an’i Italia, i Grande Bretagne, i Alemaina,  i  Soisa, i  Bezlika, i Maraoka, i

Tonizia hatrany Kanada izy ireo.  “Vonona izy ireo hifanome tanana amin’ity IEM  ity. Mbola hitohy aty Madagasikara koa anefa izany amin’ny  alalan’ireo  fihaonana sy atrikasa  samihafa mba hitondran’ny rehetra ny heviny sy hijerena ny vahaolana amin’ny sehatra rehetra » , hoy ny filohan’ny Tetezamita. Nohitsiny fa tsy mbola any amin’ny resaka  fifidianana na kandidà aloha ny tenany amin’izao fotoana izao. « Ny hitondrana vahaolana ny fahantran’ny vahoaka sy ny firenena, indrindra eo amin’ny sosialy sy toekarena, izao ny maika sy manahirana fa tsy mbola amin’izany », hoy Rajoelina.

Randria

Une réponse à "Taratry ny fahaiza-mitantana : fandaharanasa azo tanterahina, tsy nofinofy ny an-dRajoelina"

  1. Trice  28/01/2018 à 13:54

    Isan’ny toetra mampiavaka ny Filoha Andry Rajoelina ny fikatrahana ny lafatra isan’ny nanamarika azy koy ny teny hoe manara-penitra,rariny raha tsara rafitra sy nahomby ny drafitr’asa novolavolainy satria tsy olon’ny kisendrasendra izy fa efa manana ny hai-zatra sy matihanina raha ny fampandrosoana no resahina.

Les commentaires sont fermées.