Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 8 Mada» : hiady ny 1500000 Ar ny FTM sy ny Cosfa

Rugby – «Gold Top 8 Mada» : hiady ny 1500000 Ar ny FTM sy ny Cosfa

 Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 8”. Hifampitana amin’izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa. Hahazo lelavola 1500000 Ar izay ho mpandresy.

 Hotanterahina, rahampitso alahady etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny baolina lavalava. Hiatrika izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa. Hangotraka tokoa ny fihaonana satria hotoloran’ny orinasa Star sy ny Gold lelavola 1500000 Ar izay ekipa mivoaka ho mpandresy eo.

Hatreto aloha, manantombo ny FTM Manjakaray. Ity ekipa ity, izay tsy mbola tojo faharesena mihitsy nanomboka hatrany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.

Efa indroa nifandona ny roa tonta, tamin’ity taom-pilalaovana ity, saingy tsy mbola afa-bela mihitsy ny Miaramila. Heverina izany fa tsy maintsy hanohitra mafy  ry Bebaoty, amin’izao famaranana izao, hanala izay vela izay.

Ekipa samy manana ny endri-dalaony ny roa tonta. Mampiasa ny “trois quart” ny Manjakaray miaraka amin’ireo mpilalaony haingam-pandeha sy maila-tanana. Etsy ankilany, hitondra ny lalaony amin’ny tanjaka amin’ny maha tafika azy ry zareo Cosfa.

Marihina fa hisy ihany koa fanomezana avy amin’ny Gold, ho an’ny mpilalao mendrika sy ny mpamono baolina be indrindra, tamin’ity “Gold Top 8 Mada” ity.

Tsiahivina fa hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny “Top 6 Aroi”, hanomboka ny 10 marsa ho avy izao, ireto ekipa roa tonta ireto. Hiady ny laharana fahatelo ny USA Ankadifotsy sy ny STM (Savony). Mbola hafana vay koa io lalao io.

Hanokatra ny fihaonana, ny maraina manomboka amin’ny 10 ora, ny lalao ho an’ny sokajy vehivavy, hifanandrinan’ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.