
Nanao hetsika fanehoana tsy fankasitrahana ny fanamboarana ny tsena ao Petite vitesse ny ampahany sasany amin’ny mpivarotra ao an-toerana. Nilanja sora-baventy izy ireo sady niantsoantso nilaza ny hevitr’izy ireo manoloana ny asa hataon’ny kaominina. Nanao tatitra ny fizotry ny asa hatao ny vaomiera, omaly, ka teo no nisehoan’ny korontana. Tsy mandoa vola ny mpivarotra fa ny kaominina no hiantoka ny asa rehetra ary misy ny sarin’ny rafitry ny trano sy fifanarahana nalefa hojeren’ny rehetra.
Les commentaires sont fermées.