Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2018» : hanokatra ny ampahefa-dalana i Maraoka sy i Namibia

Kitra – «Chan 2018» : hanokatra ny ampahefa-dalana i Maraoka sy i Namibia

Hiditra amin’ny tena lalao tsontsori-mamba hisarahana kosa, manomboka anio asabotsy sy rahampitso alahady ireo, ekipa valo sisa mbola manohy ny fifaninanana, taorian’ny roa andro  nialana sasatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, taranja baolina kitra “Chan 2018”. Fihaonana, tanterahina any Maraoka. Efa fantatra avokoa ireo hiatrika izany, amin’ity.

Hisantatra izany, amin’ity asabotsy ity, ny Maraokanina, tompon-jaridaina, sy ny Namibianina. Heverin’ny rehetra fa manana tombony i Maraoka noho izy ireo hilalao eo amin’ny tokotaniny sy manoloana ireo mpijeriny. Na izany aza, tsy hikosi-maso na hihemotra amin’izany ny Namibianina, izay efa nahavita dingana goavana, tamin’ity “Chan 2018” ity,  ka afaka nanilika ireo ekipa vaventy toa an’i Côte d’Ivoire, izay efa nangoron-damba tao amin’ny vondrona, nisy azy.

Tompondaka

Fandaharan-dalaon’ny ampahefa-dalana

Asabotsy 27 janoary

Kianja Casablanca 

07:30 – Maraoka # Namibia
Kianja Marrakech

10:30 – Zambia # Soudan

Alahady 28 janoary

Kianja Tanger 

07:30 – Nizeria # Angola
Kianja Agadir

10:30 – Kongo-Brazzaville # Libya

 

Les commentaires sont fermées.