Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivadiham-pitokisana : nidoboka am-ponja ireo mpivady mpandraharaha

Fivadiham-pitokisana : nidoboka am-ponja ireo mpivady mpandraharaha

Hiakatra fitsarana ny 22 marsa 2018 ho avy izao ireo Malagasy roa mpandraharaha (mpivady) naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha fivadiham-pitokisana sy fisolokiana, ny volana desambra lasa teo. Ny 22 desambra 2017 teo no saron’ny polisy avy ao amin’ny PPA2 Ankorondrano izy mivady. Araka ny fanazavan’ny polisy, fivadiham-pitokisana sy fisolokiana ny antony nisamborana azy ireo. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny polisy azy mivady fa naka entana elektronika, toy ny finday, fahitalavitra… tao amin’ny tranombarotra lehibe iray eto an-drenivohitra izy mivady ireto ka mitentina 110 tapitrisa Ar izany. Nentin’izy mivady natakalo lavanila tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ireo entana ireo ka ireo vokatra ireo indray no naondrana any ivelany avy eo. Ividianany fiara na zava-kafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro indray ny vola azo amin’ireo lavanila. Alefan’izy ireo amin’ny kaontenera avy any Japon na Eoropa ireo entana ireo. Tsy nefain’izy ireo kosa anefa ny vola tokony haloany tamin’ilay tranombarotra na efa nisy aza ny fotoana nifanarahana handoavana izany. Vola mitentina 80 tapitrisa Ar ka nahatonga ny tompon’ny tranombarotra nametraka fitoriana teny amin’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.