Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisandratan’i Madagasikara : namidin’i James Ramaroson ny fandaharanasan’i Orlando

Fisandratan’i Madagasikara : namidin’i James Ramaroson  ny fandaharanasan’i Orlando

 Mipoitra tsikelikely ny marina. Fantatra koa izany izao  fa fandaharanasan-dRaobimanana Orlando ny betsaka amin’ny ireny nambara teny Iavoloha  ho amin’ny fisandratan’i Madagasikara ireny.

 Io indray koa.  Tsy vitan’izany fa namadika an-dRobimanana Orlando ny mpiara-dia aminy, toa an’i James Ramaroson, lasa  naman’ny fitondrana miara-miasa amin’ny minisitra Rabary Njaka Henri sy ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana. Namidiny amin’izy ireo ny  boky  maneho izany  fandaharanasan’ity tale  jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana teo aloha ity izany.  Araka  ny loharanom-baovao, tafiditra amin’ny fandaharanasa « Madagasikara vina  ho an’ny fanantenana » ny ampahany betsaka amin’ireny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina ireny  indrindra ny lafiny toekarena, toy ny harena an-kibon’ny tany , ny andraikitry ny  fanjakana, ny tontolon’ny fizahantany.

Tsiahivina fa efa nampahafantarina tany Eoropa sy teto amintsika ny boky matevina mirakitra izany ary vina efa nipetraka sy voavolavola,  nanomboka ny taona  2016.

Fitondrana tsy misy atokona sy tsy misy fototra… 

 Araka izany, voaporofo tokoa  izany izao fa mpaka tahaka sy manao dika mitovy hatrany  ny an’ny  hafa ity fitondrana ity. Tsy manana atokona  sy tsy misy fototra.  Efa nanao izany tamin’ireny lahateny ny  25 janoary 2014 raha vao nandray fitondrana  ka natao dika mitovy amin’ny kabarin’ny filoha frantsay teo aloha, Sarkozy ny nambara tetsy Mahamasina, nandrendrehana ny ambanilanitra. Izao indray ka  sady nakana ampahany avy ny fandaharanasan’ny  hafa : ny filohan’ny Tetezamita,  Rajoelina sy ny tale  jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana teo aloha, Robimanana Orlando. Haka  tahaka sy hanao dika mitovy amin’iza  indray rahampitso ?

Randria

 

4 réponses à "Fisandratan’i Madagasikara : namidin’i James Ramaroson ny fandaharanasan’i Orlando"

  1. Hasina  27/01/2018 à 17:38

    fitondrana vendrana
    mpitondra isanisany vendrana
    filoha prm vendrana

  2. hery  29/01/2018 à 17:10

    Manana finoana fa efa tsy ho ela intsony ny hiaretana an’io fitondrana io. Bon courage tout le monde.

  3. olivier  29/01/2018 à 17:11

    vous n’avez pas honte.tsy mahalal af tsy ny mangalatra ty fitondran ty

  4. Czara  30/01/2018 à 22:50

    Izaho mahita fa ny vinan’i Filoha dia toa miendrika propagandim-pifidianana sahady izay anehoana ny drafitr’asam-pitondrana vaovao. Hiverina amin’ny malagasy Madinika indray mantsy ny fahefana @ alalan’ny fifidianana koa dia toto-afo etsy toto-afo eroa ny fitokana ireo zava-bitan’ny fitondrana.Manaraka izany , tsy atao mahagaga ny zava-misy fa efa ela izy no nanao tohatra ny hafa hiakarana sy higiazana hatrany ny seza fiandrianana.
    Tsy adala akory ny malagasy , androany ianao manambara fisandratana kanefa androany “DELESTAZY” . Am-bava homana , am-po mieritreritra

Les commentaires sont fermées.