Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovana ny asan’ny mpitsara : tsy arakaraka ny kabarin’ny filoha ny atao

Fiarovana ny asan’ny mpitsara : tsy arakaraka ny kabarin’ny filoha ny atao

“Ampiharo ny lalàna misy, iaino ny lalàna.Mihatra amin’ny mpiasam-panjakana rehetra ny fitsipi-pitondran-tena amin’ny asa. Anisan’ny manana manokana izany ny ao amin’ny fitsarana. Anisan’ny voalohany ao anatin’izany ny fanajana ny ambaratongam-pahefana misy.”

Io ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina teny Anosy, omaly, tamin’ny fanombohana ny taom-pitsarana 2018. Zava-dehibe ny tsiambaratelo. Mety manakorontana raha aseho ampahibemaso ny zavatra afenina, na raha lazaina ny tsiambaratelon’ny asa. Olona manana ny maha izy azy sy ny hasiny ny mpitsara.

Tsy mora ny asa sy ny andraikitry ny mpitsara, fa mila mijoro eo amin’izay fahamarinana sy fahitsiana tokony hananana. “Fialofan’ny malemy ny fitsarana, tsy miangatra ny fitsarana, fampiharana ny tena lalàna, fitsarana iandrasana hitondra fisandratana”, hoy izy.

Manan-danja amin’izay tokony hanajana ny fitsipi-pitondrana ny mpitsara. Tena mampiaina ny rafitra sy mitondra ny vokatra tsara  amin’ny vahoaka ny olom-panjakana. “Arovy ny asanareo, arovy ny maha mpitsara anareo” , hoy ihany izy.

Fitaovana politikan’ny mpitondra hatrany ny fitsarana

Tena araka izany kabary izany tokoa ve ny zava-misy, indrindra ny atao amin’izao? Tsy hita izay fisaraham-pahefana, fa eo ambany vahohon’ny fahefana mpanatanteraka hatrany ny fitsarana : fitaovana politika. Eo, ohatra, ny “Raharaha Lylison René de Roland”, ny “Raharaha Andriamananoro Augustin”…

Aiza ho aiza koa, ohatra, ny fanajana ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanolorana praiminisitra? Toy izany koa ny And. 72 momba ny tsy fahazoan’ny depiote miova vondrona politika. Miray tsikombakomba amin’izany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

Tsy hita hotanisaina ireo raharaha tsy mazava na tsy hita izay farany, tsy mamela ny fitsarana hiasa amim-pahamarinana: ny “Raharaha Razaimamonjy Claudine”, ny “Raharaha Antsakabary “, ny “Raharaha Andriamandavy VII Riana”, ny “Raharaha fakana an-keriny tany Toamasina”…

Tsy efa mba niady sy nitaky ny fiarovana ny asany ve ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM)? Tsy hita izay fandraisana andraikitry ny filoha, raha ny fitarainan’ny SMM. Amin’izany, tena fialofan’ny malemy ve ny fitsarana? Na tsy miangatra, fampiharana ny tena lalàna… Tsy arakaraka ny kabary hatrany ny atao.

R. Nd.

Vita fianianana

Vita fianianana ny filohan’ny fitsarana fandravana eo anivon’ny Fitsarana tampony, Raketamanga Odette Clémentine. Toy izany koa ny tonia voalohany mpampanoa eo anivon’ny fitsarana ambony, Antananarivo, Andriamiseza Charles.

Les commentaires sont fermées.