Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanondranana volamena an-tsokosoko… : karohin’ny polisin’ny BC i Baritsialonina Alisoa

Fanondranana volamena an-tsokosoko… : karohin’ny polisin’ny BC i Baritsialonina Alisoa

Namoahan’ny polisy avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava (BC) Anosy fikarohana noho ny fanondranana volamena an-tsokosoko mankany ivelany i Baritsialonina Andrifanantenana Alisoa antsoina hoe Alisoa…

 Ny 2 janoary 2018 lasa teo, nanokatra fanadihadiana ny polisin’ny BC momba ny fanondranana volamena an-tsokosoko any ampitan-dranomasina izay miainga eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Araka ny fanazavan’ny polisy, olona maromaro no efa niatrika famotorana tamin’izany. Nisy ny olon-tsotra sy ireo mpiasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato tafiditra ao anatin’io tambajotrana mpanao trafikam-bolamena io. Tao ireo efa naiditra am-ponja ary mbola mitohy ny fikarohana. Anisan’ny karohin’ny polisy amin’izao i Alisoa, araka ny didy fikarohana navoaka ny polisin’ny BC. Nohamafisin’ny polisy fa tompon’antoka tamin’ny fikasana hanondrana volamena milanja 10 kg izy ny 29 novambra 2017 teo.

Raha ny mombamomba azy, tao amin’ny Lot AV.08 Ambohitrarahaba Ankadikely Ilafy – Tana 103 no nahitana azy farany. Eo anatrehan’izany, iangaviana izay olona mahalala na koa manam-baovao momba azy mba hampilaza ny polisim-pirenena akaiky azy na koa hiantso ny polisin’ny BC amin’ny laharana telefaonina 034 05 517 26. Mampahatsiahy ny polisim-pirenena fa helohin’ny lalàna ny fampiantranoana na koa fanafenana olona namoahana fampilazana fikarohana toy izao ary manentana sahady amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.