Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka : ankizivavikely maty voahosin’ny kamiaobe

Ambatondrazaka : ankizivavikely maty voahosin’ny kamiaobe

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona tao Ambatondrazaka omaly tolakandro. Ankizivavikely iray handeha hianatra ity nofaohin’ny kamiaobe teo amin’ny fidinana Ambalabako eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ity. Araka ny fanazavana, handeha hianatra izy ary nandeha tamin’ny sisin-dalana, kanjo nofaohin’ny kamiaobe nitondra vato malao. Tapaka frein teo amin’ilay fidinana ity kamiaobe ity ka tsy afaka nanao na inona na inona intsony ny mpamily. Vokany, tafasitrika tao ambanin’ilay kamiaobe ity ankizivavikely niharam-boina ity. Voadona mafy teo amin’ny lohany izy ka isan’ny nitarika ny fahafatesany izany. Nosokirina tao ambanin’ilay kamiaobe ny fatiny.

Nambaran’ireo mponina ao an-toerana fa fanindroany amin’izao no nahitana trangana lozam-piarakodia tamin’ity lalana ity.  Tonga nanao fanadihadiana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.