Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanitsena : nanao fambolen-kazo ny polisy

Ambanitsena : nanao fambolen-kazo ny polisy

Natokan’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena hambolena hazo ny andro omaly. Teny Ambanitsena no nanatanterahan’izy ireo izany. Nitarika izany fambolen-kazo izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Andrianisa Mamy Jean Jacques miaraka amin’ireo tale sy lehibe amin’ny sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pirenena miaraka amin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka fa tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana mihitsy ny fambolen-kazo eto Madagasikara ary raha ho an’ny polisy manokana, tsy eto an-drenivohitra ihany akory ny manatanteraka izao fambolen-kazo izao fa misy koa ireo polisy any amin’ny faritany manao izany. Isan’ny nanaovana izao fambolen-kazo izao ny fiadiana amin’ny fivadibadihan’ny toetr’andro. Miisa 400 ireo zana-kazo novolena izay nahitana hazo fihinamboa.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.