
Voahitsakitsaka tanteraka indray ny zon’olombelona sy ny demokrasia eto amintsika. Nitohy tany Ambovombe Androy ny barofo sy ny fanakanana ny filoha teo aloha, Ravalomanana sy ny Tim.
Tsy afa-bela fa tratry ny antsojay hatrany. Nikasa hifampiarahaba amin’ireo mpikamban’ny antoko any an-toerana ny tenany sy ireo delegasiona notarihiny, omaly. Tokony ho natao tao amin’ny tranon’ny depiote teo aloha, Login, izany. Toerana an’olon-tsotra sy mitokana fa tsy anaty kianja, saingy nandefasana mpitandro filaminana maromaro nandrava izany ary namoaka an-dRavalomanana tao amin’izany trano izany. Niharan’ny sakantsakana koa ny fiara nitondra ny filoha nasionalin’ny Tim taorian’izany satria tsy navela malalaka handeha fa narahin’ny fiaran’ny Emmo/Reg. Noferana tsy mahazo mivoaka ny fiara koa ny tenany hiarahabana hiresaka amin’ny vahoaka eny an-dalana.
Voaporofo aloha izany izao fa tsy voahaja ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra ary ny fahafahana mivory eto amintsika amin’izao fitondrana HVM izao. Hatrany an-tokantranon’olon-tsotra aza izany izao tsy azo atao ny mifampiarahaba sy mifampiresaka noho ny taona vaovao na mifamory amin’izany faritra manokana an’ny tena izany.
Hitan’izao tontolo izao sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena
Etsy andaniny, miteraka lonilony eo amin’ny maro ny fihetsiky ny mpitandro filaminana mandrava izany. Betsaka ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana, indrindra any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo saingy izao zary lasa herim-pamoretana izao noho ny baikon’ny mpitondra. Vao mainka hanaratsy endrika ny fitondrana avokoa izany rehetra izany ary hitan’izao tontolo izao sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy misy demokrasia, manjaka ny barofo sy ny fanampenam-bava… noho ny tahotra ? Tombony ho an’ny Tim sy ny mpanohana azy koa anefa izany ary vao mainka aza hampitombo ny fitiavan’ny olona azy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao.
Tsiahivina fa nihamafy ny sakana sy ny fanelingelenana ny Tim sy Ravalomanana. Nanomboka tamin’ny fankalazana ny faha-15 taon’ny antoko ny taona lasa, nokasaina hatao tetsy Mahamasina. Nitohy tany Toamasina. Ny antsojay tao amin’ny hotely iray any Antsiranana. Teo koa ny fanangonana olona vitsivitsy nanakana tany Toliara ny fiandohan’ny taona teo ary ny tany Taolagnaro sy Ambovombe Androy izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.