Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“RDJ Mozika 2017”: nitombo ireo sokajy isafidianan’ny mpankafy

“RDJ Mozika 2017”: nitombo ireo sokajy isafidianan’ny mpankafy

“Mozika EDM”, “Come back de l’année”, “Mozika buzz”… Ampahany amin’ireo sokajy vaovao hifaninanan’ireo mpanakanto voafantina mandritra ny “RDJ Mozika 2017”  ireo.

22 be izao. Manan-tsafidy tsara ireo mpankafy mozika, hifidy izay mpanakanto heveriny fa mendrika ka tokony ankasitrahana tamin’iny taona lasa iny. Mivelatra bebe kokoa ny “RDJ mozika” 2017, raha ny fampahafantarana nataon’ny mpikarakara omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina.
“Araka ny anaran’ny hetsika, hira nandeha tao amin’ny onjampeo RDJ no niaingana isan-tsokajy. Anjaran’ny mpankafy no misafidy izay mendrika amin’ireo voafidy ireo”, hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana.
Maro ireo mpanakanto efa nanamarika ireo andiany teo aloha no mbola tafiditra ihany amin’ity. Tsy vitsy koa ireo mifaninana anaty sokajy maromaro amin’ity. Mpanakanto tanora sy vao misondrotra ny ankamaroany, na dia misy ihany aza ireo efa zokiny ao.
Lanonana miavaka
Toy ny fanao isan-taona hatrany, lanonana miavaka sy mihaja ny fampahafantarana ireo voalohany isan-tsokajy. Hotontosaina ny 3 febroary izao izany, eny amin’ny CCI Ivato. Hasaina eny avokoa ireo mpanakanto voafantina, satria amin’io fotoana io mihitsy vao ho fantatra izay hahazo ny fankasitrahana.
Na nitombo aza ny isan’ireo sokajy ifaninanana, anisan’ny andrasan’ny maro izay ho “mpanakanton’ny taona 2017”, amin’ity. Manan-tsafidy amin’ny iray amin’i Denise, Wawa, Stéphanie, Shyn, Rak Roots ary Elidiot ireo mpankafy.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.