Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Maorisy : zakan’ny tanora malagasy ny oniversite Uniciti

Nosy Maorisy : zakan’ny tanora malagasy ny oniversite Uniciti

 Tsapa fa mahazaka sekoly ambony ny tanora malagasy. Noho ny fahitana izany, hanao varavarana misokatra eto Antananarivo ny Uniciti ao Nosy Maorisy ny 27 janoary ho avy izao eny amin’ny American center Tanjombato. Hampahafantarina amin’io fotoana io ny fisian’ny fampianarana ambony zakan’ny tanora malagasy, araka ny sokajim-pahaizany avy hatramin’ireo mitady fiofanana.

Hita amin’io fotoana io koa ireo karazana sekoly ambony maro malaza, toy ny Ecole Centrale de Nantes, Université Paris II Panthéon Assas, Supinfo International University sy Ecole Nationale Supérieure d’Architecture de Nantes. Tsy lavitra an’i Madagasikara intsony izao ireo oniversite lehibe ireo.

Afaka mamaly ny hetahetan’ny tanora malagasy ny Uniciti ao Nosy Maorisy, hanana safidy na amin’ny teny fampiasa hoenti-mianatra aza. Karazam-piofanana maro no hita hahazoan’ny tsirairay misafidy sy miditra amin’ny karazan’asa tiany. Vonona ny tompon’andraikitra ao amin’ny Uniciti hizara ny vaovao tsara ho fantaratra rehetra amin’ny tanora mpianatra sy ny ray aman-dreny. Anisan’izany ny momba ny fandaharam-pianarana sy mari-pahaizana.

M.C

Les commentaires sont fermées.