
… Satria anjorom-bala hatrany hatramin’izay. Mitady hirika mafy izay hampidirana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ho anisan’ny taranja ianarana any an-tsekoly ireo rehetra mikirakira azy ireny. « Izay ihany no hitondra fampandrosoana ho an’ity firenena ity. Fananana taranaka mahafantatra ny momba azy », hoy izy ireo. Tsy azo lavina io, saingy tsy mbola mety tafapaka any amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga ilay antso na efa atao manaka-danitra aza. Voatery ny tompon’andraikitry ny sekoly tsirairay no mandray fanapahan-kevitra fa asiana fianarana valiha na fanorona na kabary, sns, ao an-tsekoly.
Inona ny manakana ny tompon’andraikitra mahefa hilaza amin’ny alalan’ny didy na lalana (na izay mety hanaovana izany) fa « tsy maintsy atao ho anisan’ny taranja ianarana any an-tsekoly ny kolontsaina malagasy ? ». Anisan’ny nanome tanjaka sy hery ireo firenena « vaventy » ankehitriny io fomba fanabeazana io. Tsy zava-baovao ho an’ny Malagasy ihany koa rehefa tena halalinina satria zovy tamin’ny Ntaolo teo aloha no tsy nanabe sy nitaiza ny zanany tamin’ny kolontsainy ?… Izay no nahatonga ny taranany ho olom-banona !
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.