
Hifanehatra eo amin’ny lalao ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, taranja baolina kitra “Chan 2018” i Maraoka sy i Namibia ary I Soudan sy i Zambia. Fihaonana hotanterahina ny asabotsy 27 janoary ho avy izao.
Fantatra izany, taorian’ny andro fahatelo, tamin’ny fifanintsanana, ho an’ny sokajy “B”, notanterahina ny alatsinainy lasa teo. Raha tsiahivina ny vokatra, nisaraka ady sahala 1 sy 1, i Zambia sy i Namibia, izay efa samy tafita saingy niady ny lohany fotsiny tamin’ity. Nitana ny laharana voalohany, taorian’ity lalao ity ny Chipolopolos-n’i Zambia ary faharoa ny Brave Warriors-n’i Namibia.
Ho an’ny vokatra iray indray, ho an’ity vondrona “B” ity hatrany. Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko, tamin’ny Ogandà ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Ny roa tonta izay efa samy nangoron-damba avokoa. Marary mafy ny Elefanta satria tsy nahafaty baolina mihitsy na iray aza, tamin’ity “Chan 2018” ity ary nitana ny rambony.
Tompondaka
Vondrona «D»
24 janoary
Kianja Grand stade d’Agadir
19h00 : Kongo # Angola
Kianja Grand stade de Tanger
19 h 00 : Borkina Faso # Kameronina
Les commentaires sont fermées.