Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fenoarivo Atsinanana : trano miisa 36 indray kilan’ny afo

Fenoarivo Atsinanana : trano miisa 36 indray kilan’ny afo

Nijoalajoala ny afo tao Andongozabe, kaominina ambanivohitra Ambanja Sahalava, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Trano miisa 36 tafo indray kilan’ny afo ka olona miisa 90 tsy manan-kialofana. Niainga avy ao amin’ny lakozian’ny tokantrano iray ny afo noho ny tandrevaka nataon’ny tompon-trano ka tsy voafehy intsony ny afo taorian’izay, araka ny fampitam-baovao voaray. Vita amin’ny falafa avokoa ny ankamaroan’ireo trano levon’ny afo ireo. Mitentina 150 tapitrisa Ar ny tetimbidin’ny entana sy trano may. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny poste fixe ao Ampasimbe.

Trano miisa 22 koa indray may tao Ampangadiampasika, kaominina Vohitranivona, distrikan’i Brickaville, ny zoma teo. Trano miisa 22 no indray may. An-kasomparana no nahatonga ny loza satria niniana nodorana avy any ivelany ireo trano ka niitatra tamin’ireo teo amin’ny manodidina, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Tsy fantatra kosa izay tompon’antoka tamin’ity fandoroana trano ity. Olona iray naratra raha 26 kosa ireo tsy manan-kialofana. Mitentina 60 tapitrisa Ar ny tentimbidin’ny entana may. Mitohy ny famotoran’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.