Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosizato : jiolahy tratra nanendaka tanaty fiara

Anosizato : jiolahy tratra nanendaka tanaty fiara

 Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny iray tratra nanendaka tao anaty fiara teny Anosizato Atsinanana, omaly. nitondra sabatra izy ka nikasa hanindrona renim-pianakaviana iray tao anaty fiara rehefa avy nisintona ny poketrany. Nahita izany ireo olona teny an-toerana ka nanenjika avy hatrany. Nentin-katezerana ny olona ka samy nitsaingoka namely ity jiolahy ity ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy raha tonga haingana ny polisy naka azy teny an-toerana.

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahenina eny Ambohimanarina koa ny jiolahy iray nangalatra “auto radio” tao anatina fiara Sprinter iray teny Andranomena, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nipetraka teo akaikin’ny fiangonana loterana Andranomena ilay fiara ka hitan’ilay jiolahy. Tsy nihidy ilay fiara ka nanatonany ary nalainy ny “auto radio”-n’ny fiara. Tsikaritry ny tompon’ity fiara izay nilalao baolina teo akaiky teo ihany anefa ilay jiolahy nitsofoka tao anaty fiarany. Niantso polisy avy hatrany izy ka raikitra ny fifanenjehana ilay jiolahy. Noraisim-potsiny izy taorian’izay. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.