Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankiliabo : mpanjono makamba 13 lasan’ny rano

Ankiliabo : mpanjono makamba 13 lasan’ny rano

 Mbola tsy hita ny fito tamin’ireo olona 13 mpanjono makamba lasan’ny rano tao Ankiliabo, distrikan’i Manja ny herinandro teo. Niakatra tampoka ny reniranon’i Mangoky ka nitarika ny loza…

 Nitrangana loza mahatsiravina namoizana ain’olona tao amin’ny nosy kely iray ao amin’ny reniranon’i Mangoky ao Ankiliabo, distrikan’i Manja, ny herinandro teo. Olona miisa 13 nanjono makamba tao amin’ny nosy kely iray ao amin’ny fokontany Ankatsakataka, 30 km miala an’Ankiliabo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nirotsaka hatrany ny orana tany an-toerana ka niakatra ny reniranon’i Mangoky. Misy nosy kely fakan’ny olona makamba anefa ao amin’ity renirano ity. Rehefa miakatra ny rano dia tsy hita io nosy kely io fa rehefa midina kosa ny rano dia tazana tsara ity nosy kely ity. Nanararaotra ny fidinan’ny rano anefa ireo mpanjono ka lasa nanjono makamba teo amin’ilay nosy kely. Niakatra tampoka anefa ny rano tamin’ny fotoana nanjonoan’ireo mpanjono ka nofaohin’ny rano ireo mpaka makamba ary difotra niaraka tamin’izany koa ilay nosy kely fakana makamba. Vokany, lasan’ny rano ireo olona mpanjono miisa 13 nanjono tao amin’ilay nosy kely.

Niezaka samy nanavotra ny ainy ihany ireo mpanjono, saingy tsy afa-nanoatra intsony noho ny fiakaran’ny rano ka tsy hita popoka taorian’izay. Niezaka nifanome tanana tamin’ny fikarohana ny razana ny mponina ka efa hita ny enina raha mbola tsy hita kosa ny ambiny. Mitohy kosa ny fikarohana ny fatin’ireo mpanjono mbola taraiky ao amin’ny reniranon’i Mangoky.

J.C

Les commentaires sont fermées.