Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : ravan’ny polisy ireo andian-jatovo mpamaky fiara

Analakely : ravan’ny polisy ireo andian-jatovo mpamaky fiara

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely, ny alahady teo ireo andian-jatovo mpamaky fiara eo Analakely. Tontakely efatra no tratra voalohany taorian’ny fanenjehan’ny polisy. Araka ny fanazavan’ny polisy, tsy vao izao izy ireo no fantatra fa miaraka manao izao asa ratsy izao fa efa an-taonany maro. Mitarika ireto andian-jatovo mpamaky fiara ireto i Beloha. Saron’ny polisy koa ny jiolahy iray mpiray tsikombakomba amin’ireto andian-jatovo ireto satria mpanafina ny entana avy nangalarin’izy ireo. Nambaran’ny polisy fa naharay fitarainana momba ny fahavakisana fiara nipetraka teo Analakely izy ireo ny alin’ny alarobia teo. Mitentina 2 tapitrisa Ar ny tentimbidin’ny entana very tao anatin’io fiara io. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, i Beloha sy ny namany no nanao ity halatra ity. Niroso tamin’ny fikarohana ireto jiolahy ireto ny polisy ka tratra teo Analakely ihany ny efa-dahy. Nilaza ry zalahy nandritra ny famotoran’ny polisy fa efa namidin’izy ireo eny Isotry  ny tablette iray izay isan’ireo entana very tao anatin’io fiara io. Nanonona anaran’olona iray mpivarotra niray tsikombakomba tamin’izy ireo ry zalahy nandritra ny famotorana. Izy no voalaza fa nitazona ilay sakaosy nisy ireo entana very tao amin’ilay fiara ary voasambotra ihany koa ity farany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.