Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy manara-dalàna, tsy manaja fifanarahana : tsy aloan’ny Jirama ny trosany amin’ny tsy miankina

Tsy manara-dalàna, tsy manaja fifanarahana : tsy aloan’ny Jirama ny trosany amin’ny tsy miankina

Manomboka miarina tokoa ny orinasa Jirama, tato anatin’ny herintaona. Misy odian’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fitantanana jeneraly sy ny filankevi-pitantanana (CA) anefa tsy ambara ampahibemaso, tsy misy mangarahara na lazaina fa miara-miasa amin’ny Bianco sy miombon’antoka amin’ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena aza. Sa sanatria misy koa ny tsikomba amin’izy ireo. Voakasik’izany ny trosany mitentina 300 miliara Ar tsy naloany amin’ireo orinasa tsy miankina mpamatsy solika azy tany aloha, sy ireo mpamokatra herinaratra taloha sy ankehitriny. Sady tsy nasian’ny mpitantana ny Jirama resaka mazava ny mikasika ireo, nandritra ny famoahany ny zava- bita 2017 sy ny asa 2018, ny alakamisy teo.

Hany valin-teny avy any amin’ny Jirama, “misy tokoa ny trosan’ny Jirama tsy voaloany any amin’ny orinasa tsy miankina, saingy sarotra ny fifampiraharahana amin’izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Todimanana Hyacinthe, fa misy lesoka ny fifanarahana natao teo aloha, mihoatra 1.000 Ar miohatra tamin’ny vidin-tsolika amidy amin’ny mpaninjara ny vidin’ny an’ny Jirama. Fepetra noraisin’ny mpitantana ity orinasa ity ny nanavao ny fifanarahana tamin’ireo mpamatsy solika. Na izany aza, fifanarahana ny nataony tamin’ny mpandraharaha tsy miankina, ka mila hajainy ary aloany ny trosany.

Hiverina ny delestazy

Milaza fa mametraka ny tsara fitantanana ny tompon’andraikitry ny Jirama. Tsy mahagaga izany satria manara-maso akaiky ny mpamatsy vola, toy ny Banky iraisam-pirenena, manohana ny fanarenana azy ao anatin’ny fandaharanasa Pagose. Tokony ho ao anatin’ny drafi-panarenany ny fandoavany ny trosany, toy ny orinasa ananana vola rehetra.

Raha sanatria tsy misy ny vahaolana matotra, ahina ny hataon’ireo orinasa tsy miankina, tsy hamatsy solika sy herinaratra, ka hiverina ho azy ny delestazy, toy ny fahita hatramin’izay.

Ankoatra izany, tsy nahafa-po ny tsy miankina ao amin’ny sehatry ny indostria rahateo ny fifampiraharahana mikasika ny hanondrotana ny faktiora 8,5% amin’ity taona ity. Amin’izy ireo, tsy azo ekena sy tsy azo leferina mihitsy ny fisondrotan’ny faktioran’ny Jirama satria mampitombo ny masonkareny. Heverin’izy ireo fa potehina ny indostria eto an-toerana hanomezana vahana ny vokatra hafarana avy any ivelany.

Randria

Les commentaires sont fermées.