Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranga eny amin’ny fiarahamonina : zazavavy enin-taona naolan’ny zazalahy 10 taona

Tranga eny amin’ny fiarahamonina : zazavavy enin-taona naolan’ny zazalahy 10 taona

 Nisokatra ny volana septambra 2016 ny centre Vonjy fandraisana ireo ankizy tsy ampy taona niharan’ny herisetra ara-nofo na fanolanana ao amin’ny Hopitalibe   Analankininina,Toamasina. “Niakatra 85 ny ankizy niharan’ny herisetra noraisina sy notsaboina  teo anivon’ny foibe,  ny taon-dasa raha 42 izany ny taona 2016”, hoy  ny mpiandraikitra, Ravelonarivo Nicole, omaly. Mihakely taona ny mpanolana zaza tsy ampy taona. Latsaky ny 18 taona izany. “75%-n’ny mpanolana, ankizy sy zatovo (7-16 taona) avokoa”, hoy izy. Tranga nananosarotra indrindra  ny taona 2017. Ankizivavy 6 taona, naolan’ny zazalahy vao 10 taona monja, mpiara-monina ihany. Lasa malemy tsy afaka nandeha intsony ity ankizivavikely ity ary voan’ny aretina mamany lava noho ny fanolanana. Narary nandritra ny iray volana tany amin’ny faritra nisy azy taorian’ny fanolanana izy vao nentin’ny fianakaviany teny amin’ny centre.

Maharitra ny fitsaboana

 Naharitra roa volana ny fitsaboana azy vao afaka nalefa nody  ilay zazavavy voaolana. Nandalo tamin’ny sampana fandidiana, fitsaboana manokana ny zaza ary teny amin’ny sampana “réeducation fonctionnelle” izy. Rehefa hisokatra indray ny fandidiana ny vehivavy voan’ny aretina mamaly lava ao amin’ny CHU, lohalaharana amin’ny horasina an-tanana izy.

Mahazo vahana koa  ny fanolanana zazavavy ataon’ny lehilahy na zazalahy maromaro mitambatra. Isam-bolana, iray ny tranga mitovy amin’izany ka raisina ao amin’ny hopitaly misy ny centre Vonjy. Efa nofanina sy nentanina avokoa ny sefo fokontany momba ny fisian’ny centre ka nahamaro ny isan’ireo manatona ny foibe tamin’ny taon-dasa.

Vonjy A.

 “Ahitana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo avokoa ireo zaza niharan’ny fanolanana ”, hoy ny dokotera lehiben’ny sampana vonjiaina ao amin’ny CHU Analakininina, Zafimila Alphonse. Ilaina mandalo amin’ny mpitsabo momba ny aretin-tsaina koa ilay voaolana. Maimaimpoana avokoa ny fandraisana rehetra ao amin’ny foibe noho ny fanohanan’ny Unicef eo amin’ny lafiny vola.

Les commentaires sont fermées.