Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Takaitran’i Ava : mamely ao Brickaville ny tefoedra

Takaitran’i  Ava : mamely ao Brickaville ny tefoedra

Noho ny fiakaran’ny rano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Ava, nitombo ny isan’ny olona tratran’ny aretina tefoedra ao amin’ny distrikan’i Brickaville. Marary enina no manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly CHRD ao an-toerana amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Brickaville, Randriatahina Jean Rosa Liva. Mihanaka ny loto samihafa amin’ny tanàna mitarika ny aretina tefoedra. Olana amin’ny fitsaboana, tsy sitran’ny fanafody tsotsotra toy ny cotrime intsony ny tefoedra fa mila mampiasa fanafody hafa lafo vidy kokoa.

Ankoatra izay, sahirana koa ny mpanentana fahasalamana eny ifotony satria lany ny fitaovana fampiasana amin’ny “Test de diagnostic rapide” (TDR) ho an’ny fitiliana ny aretina tazo. Mila manana traikefa ny mpitsabo mandray ireo marary ahitana fanaviana mamantatra ny voan’ny tazo tokoa na aretina hafa  ilay marary. Efa nandefa commande iray volana mialoha ny fiavian’ny rivodoza Ava ny tomponandraikitra amin’ny TDR saingy mbola tsy tonga hatramin’izao.

 Simba ny ankamaroan’ny CSB ao Toamasina I sy II

Ho an’ny ao Toamasina renivohitra, mamely ny vahoaka taorian’ny fandalovan’ny Ava ny aretina gripa, araka ny nambaran’ny mpiandraikitra fahasalamana eo anivon’ny sampandraharaha fahasalamana, faritra Atsinanana, Jemima Vololoniaina. “Nandritra ny fandalovan’ny rivodoza, rehefa tapaka ny jiro, nalefa tany Fenoarivo Atsinanana ny tahirim-baksiny rehetra ankoatra ny ilaina amin’ny vaksiny mahazatra eny amin’ny CSB”, hoy ny talem-paritry ny fahasalamana ho an’ny faritra Atsinanana, Rakotoarimanana Raymond.

Dimy ny CSB nahitana fahasimbana ho an’i Toamasina II raha enina kosa ho an’i Toamasina I. Ny fanafody kosa, voaaro tamin’ny orana sy ny hamandoana avokoa. “Ampy ny tahirim-panafody iatrehana ny aretina mpiseho matetika aorian’ny fandalovan’ny rivodoza tahaka izao”, hoy ny nambarany.

Vonjy A.

 

Les commentaires sont fermées.