Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 8 Mada» : famaranana kely ny lalaon’ny sokajy “B”

Rugby – «Gold Top 8 Mada» : famaranana kely ny lalaon’ny sokajy “B”

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Gold Top 8 Mada”, taranja rugby. Hangotraka ny ao amin’ny vondrona “B” satria mampamangy izay resy.

 Hotanterahina, rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 8 Mada”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ary tena hangotraka ny an’ny vondrona “B”. Hatreto mantsy, tsy mbola misy ekipa tafita amin’ny manasa-dalana izany, fa mbola vao hiady ny tapakila ho amin’izany dingana izany ny rehetra. Izay resy eo mantsy mampamangy avy hatrany.

Hiendrika famaranana kely ny lalao eo amin’ny Savony sy ny an’ny Cosfa (Bebaoty). Manantombo eo amin’ny fandresena aloha ny Savony izay efa naharesy indroa, saingy mitovy ny fandresena azon’ny roa tonta raha resy eo izy. Etsy ankilany, tsy maintsy hiady mafy ihany koa ny JSTA Ambondrona, hanohitra ny UIRC, izay efa tsy manana herijika intsony hanohizana ny dia. Na izany aza, mila mandresy amin’ny elanelan’isa betsaka ny JSTA vao mety ho tafakatra. Raha mahita fahombiazana ry zalahy, manana fandresena roa ihany koa. Tsy maintsy jerena eo ny “bonus offensive” sy ny “bonus defensive “ azon’ny ekipa tsirairay. Isaina ihany koa ny baolina nentin-tanana sy ny “goal average”. Ireo rehetra ireo no hamaritra izay ekipa ho tafita any amin’ny manasa-dalana.

Etsy ankilany, efa samy tafita ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray, ho an’ny vondrona “A”. Ny roa tonta izay hifanehatra hiady ny lohany, amin’ity andro farany ity. Tsy maintsy hiady mafy mantsy ny andaniny sy ny ankilany, hanao voalohany mba hifandona amin’izay faharoa, ao amin’ny sokajy “B”.

Hanokatra ny fihaonana kosa ny US Ikopa sy ny 3 F5 Amboditsiry. Lalao fiadiana toerana fotsiny sisa ny an’ny roa tonta, satria efa samy mihintsana avokoa.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.