Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nodimandry Rajaobelina Léon sy Razaka Elysé

Misaona ny manampahaizana sy  ny  teknisianina. Nodimandry ny alakamisy teo  Rajaobelina Léon, mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena, sady efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar, teo aloha. Efa governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (1973-1983), minisitry ny Tetibola (1989-1991), PDG-n’ny Sonapar, mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Conservation internationale (1989-1985), nanangana ny Fondation malagasy mikasika ny faritra arovana.

Nodimandry, omaly, koa ny minisitra  teo aloha, Razaka Elysé. Nisahana  ny minisiteran’ny Angovo ny tenany fony fitondrana Ravalomanana. Efa tale  jeneralin’ny Omnis  koa taty aoriana. Manampy ireo ny naha talen’ny fampiezan-kevitry ny Dr Robinson Jean-Louis tamin’ny fifidianana  farany teo. Mpitondra teny koa ny tenany rehefa nisavorovoro ny voka-pifidianana filoham-pirenena ny taona 2013.

Randria

Les commentaires sont fermées.