Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Loka Be Krismasy”: nandray ny lokany ireo mpampiasa Orange Money

“Loka Be Krismasy”: nandray ny lokany ireo mpampiasa Orange Money

Nahatsikaritra ireo mpampiasa ny tolotra Orange Money, fa nisy hatrany “sms” azon’izy ireo isaky ny avy mandefa na mandray vola. Milaza ny fahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ilay lalao “Loka Be Krismasy” izany, nanomboka ny 27 novambra hatramin’ny 24 desambra lasa teo. Nahazo tapakila fandraisana anjara amin’ny fisarihana izay rehetra nandefa na naka vola mihoatra ny 5.000 Ar.
Isan-kerinandro ny fisarihana nandritra izany, ka nisy fito nahazo 500.000 Ar avy. Nahatratra 32 ireo tsara vintana nandritra ny lalao, ankoatra ilay nahazo ny loka goavana indrindra. Ramiandrison Sambalahy Etsihandrane, monina any Betania Toliara no nahazo ny fivahiniana any amin’ny Nosy Maorisy, ka iantohana avokoa mandritra ny 4 andro.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.