Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Is’Art galerie : haneho ny maha izy azy ny Mem’s Family

Is’Art galerie : haneho ny maha izy azy ny Mem’s Family

 Mem’s Family, tarika iray mbola vaovao amin’ny ankamaroan’ny sofin’ny mpankafy mozika. Raha ny fantatra anefa, efa ela nilomanosana eo amin’ny tontolon’ny mozika ireo mpikambana ary efa namboaka rakikira ny tarika, izay mitondra ny lohateny hoe “Tsy fantany”.

Misalotra ny antsoin’izy ireo hoe “gasy pop world” ny gadona heno amin’ireo hira 11, mandrafitra ity vokatra voalohany ity. Araka izany, mibahan-toerana ny “fusion” fa fifankaroana mozika maromaro, toy ny pop, ny nentin-drazana, toy ny mangaliba. Andrenesana “roots”, “reggae” ary “blues” ihany koa ao anatin’ireo hira. Samy nitondra ny traikefany ny mpikambana tsirairay. Eo amin’ny hafatra fonosin’ny tononkira kosa, tsy miala amin’ny fiainana andavanandro ny ambaran’ny tarika.

Raha fintinina, manan- karena talenta sy aingam-panahy izy dimy mirahalahy. Fotoana hanehoan’izy ireo ny maha izy azy ny tarika Mem’s Family ny amin’ny 19 janoary izao, etsy amin’ny Is’Art galerie. Haharitra ora telo ny seho, hitsakotsakoana tsara ny hakanton’ny mozika hoentin’izy ireo.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.