Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hihamafy ny fitakina : tsy hamoaka ny valim-panadinana ny Seces

Hihamafy ny fitakina : tsy hamoaka ny valim-panadinana ny Seces

 Mitohy ny fitakiana  ary hihamafy aza. Mahatsiaro tena ho tsy henoin’ny mpitondra ireo mpampinatra mpikaroka ka  nampiaka-peo manoloana  ny tsy fahitan’izy ireo valiny  avy amin’ny minisitera.

 Tsy  hamoaka ny voka-panadinana izahay araka ny  tapaka tamin’ny fivoriana natao. Tohin’ny  fampiatoana ny fampianarana sy ny fikarohana efa natao ny volana desambra  teo izany raha tsy mivaly ny fitakianay”, hoy ny eo anivon’ny Seces Antananarivo, afakomaly, teny Ankatso. Nohitsin’izy ireo fa anisan’ny tsy mbola azo ny tambin’ny fikarohana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka mbola manao ny asa fikarohana sy ny tambiny ho an’ny ora fanampiny iasan’izy ireo.

Tratry ny bemarenin’ny fanjakana

Efa nisy ihany ny dinika sy fifampiresahana tamin’ny tompon ‘andraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony  saingy tsy nahafa-po  izany. “Tsy nisy valiny azo  tsapain-tanana ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra,  tsy hamoaka ny  valim-panadinana”, hoy  ihany ny filohan’ny Seces sampana Antananarivo, Ravelonirina Sammy Grégoire. Tratry ny bemarenin’ny  fanjakana indray izany ireto mpampianatra mpikaro ireto.

Etsy andaniny, naato koa ireo mpikambana telo eo anivon’ity sendikà ity noho izy ireo tsy  manaraka ny fifampifehezana sy ny fiandaniany amin’ny mpitondra. Niainga  tamin’ny  latsa-bato  natao izany nanilihana azy ireo izany ka  maherin’ny 150 ireo nampiato amin’ireo  mpikambana 170 eo anivon’ny Seces Antananarivo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.