Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Elgeco Plus Football Club : “tsy naharay izany taratasy manasazy izany”, hoy i Alfred

Elgeco Plus Football Club : “tsy naharay izany taratasy manasazy izany”, hoy i Alfred

Nambaran’Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny klioba Elgeco Plus, tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly zoma fa  tsy mbola nahavoaray izany taratasy fanasaziana ny klioba avy any amin’ny federasiona izany izy ireo. Nomarihiny fa efa manomboka ny fanazarantena ireo mpilalao, ho amin’ny fiatrehana ny taom-pilalaovana 2018 sy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, ankehitriny izy ireo. Vonona hiatrika izany ny Elgeco Plus ary manana tanjona goavana dia ny handrombaka ny fifaninanana rehetra, ka hitondrana avo ny fanevan’ny klioba sy ny an’ny firenena. Tsy maintsy misy ny ezaka goavana hahatrarana izany, ka nisy ny fanovana teo anivon’ny ekipa teknika, izay ezaka manokana nataon’ny klioba, hahazoana fahombiazana. Notsiahiviny fa tsy nisy anaram-boninahitra azon’ny Elgeco Plus, tamin’ny taom-pilalaovana lasa teo, ka izany ny anton’ny fanavaozana.

Nasiam-panamboarana ihany koa ny teo anivon’ny mpilalao ka nakarina hanatevina ireo efa zoky ireo taninketsa eo anivon’ity ekipan’ny Elgeco Plus, ity.

Nanao antso avo, ho an’ny rehetra Andriamanampisoa Alfred mba handravona ny olana ka hampanjaka ny “fair-play” satria fitiavana ny baolina kitra avokoa, ny nahatonga ireny rehetra ireny.

Araka ny vaovao avy amin’ny federasiona (FMF), tsy ny klioba no nahazo sazy fa ny filohan’ity klioba ity.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.