Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana II : 10 mianaka maty nihinana soka-dranomasina misy poizina

Antsiranana II : 10 mianaka maty nihinana soka-dranomasina misy poizina

 Olona telo hafa mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ankoatra ireo olona 10 namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina tao amin’ny fokontany Ambavarano, kaominina ambanivohitr’i Mahavanona, distrikan’Antsiranana II, afakomaly…

 Soka-dranomasina misy poizina ity azon’ny mpanjono tao amin’ny fokontany Ambavarano ity. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nifampizaran’ireo olona tao an-tanàna ireto hazandranomasina misy poizina ireto. Nandoa sady malemilemy ny fisehoan’ny aretina taorian’ny fihinanan’ireo olona nihinana izany. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo marary, saingy tsy avotra intsony kosa ny ain’ireo niharam-boina. Isan’ireo namoy ny ainy ny zazakely vao herintaona monja. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly kosa ireo olona telo hafa. Nanamafy anefa ny tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana fa efa nisy ny fampahafantarana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina manerana ny faritra Diana

ireo trondro tsy azo hanina. Isan’ireo nahazo fampahafantarana momba ireo hazandranomasina misy poizina ary voarara tsy azo hanina ireo ny tao amin’ny fokontany Ambavarano.

Tsy vao izao no nahitana olona maty nihinana soka-dranomasina toy izao tamin’iny faritra Diana iny, efa nisy olona ampolony mahery koa maty tamin’ny taon-dasa, nihinana soka-dranomasina tao Andovokonko Antsiranana. Nanentana hatrany ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana fa misy fotoana tsy azo hanina mihitsy ireny hazandranomasina ireny satria mihinana lomotra sy ireo zavamaniry misy poizina any anaty ranomasina. Tsy zakan’ny olombelona anefa poizina avy amin’ireny zavamaniry hanin’ny trondro ireny ka mitarika fahafatesana. Aoka ho mailo hatrany.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.