Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny manamboninahitra : samy nankalaza izany ny toby rehetra

Andron’ny manamboninahitra : samy nankalaza izany ny toby rehetra

Isaky ny 12 janoary ny fanamarihana ny andron’ny manambonihaitra eto amintsika, ary samy nankalaza izany ny tobi-miaramila, zandary, ny prezindasa sy ny primatiora. Isan’ny nipoiran’ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra ny sekoly ambonin’ny tafika na ny Akademia miaramila Antsirabe. Tamin’ny taona  1967 ny nanamarihana izany voalohany tany an-toerana. Tamin’ity taona ity nanao diabe, narahina fitafy isam-paritra nataon’ireo mpianatra ho manamboninahitra rehetra ny Acmil. Teo ihany koa ny fampiakarana ny fanevan’ny sekoly ka ny mpianatra zandriny indrindra no nitarika izany ary nitohy tamin’ny fanolorana gisa “oie traditionnelle”, izay isan’ny fomba tranainy fanaon’ny manamboninahitra. Nisy ny fampisehoana hakingana toy ny haiady, fiatrehana ny grevy sy ny ady amin’ny jiolahy nasehon’ny mpianatra. Ny fianakaviamben’ny manamboninahitry ny akademia miaramila sy ny sekolin’ny Ensoa ary ny vondron’ny zandary eto Antsirabe niara-nanantateraka ny hetsika. Natao tao amin’ny Akademia miaramila, notronin’ireo manamboninahitra maro efa misotro ronono.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.