Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampefiloha : nanadio ny mpianatry ny INTH

Ampefiloha : nanadio ny mpianatry ny INTH

Tsy mbola tara. Nanao hetsika  fanadiovana  ny mpianatra taona fahatelo  ao amin’ny INTH, Ampefiloha.   Anisan’ny nanao izany ireo mandalina ny fianarana fizahantany maharitra, eo  anivon’ny fikambanana, Tanora mpisehatra ho amin’ny fampiroboroboana ny  fizahantany maharitra (JADDM). “  Mandray andraikitra eo amin’ny fanatsarana ny manodidina ny toeram-pianarana amin’ny maha mpianatry ny fizahantany maharitra izahay. Efa misy ny  tetikasa hafa sy vina hatao, toy ny mivarotra ireo toerana hanaovana fizahantany, kendren’ireo tanora amin’ny sehatra rehetra, ivelan’ny fianarana ao amin’ny INTH” , hoy ny mpitarika.  Eo  koa ny fanatsarana  ny manodidina ny toeram-pianarana. Tsy nianatra izy  ireo ny andron’ny alarobia teo  nanaovana ny Androm-pirenena ho an’n y  fanadiovana ka natao, omaly, ny anjaran’izy ireo ho amin’izany hetsika  izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.