Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AFT, CGM, IFM… : mbola manana ny lanjany ny ivokolo vahiny

AFT, CGM, IFM… : mbola manana ny lanjany ny ivokolo vahiny

Samy efa nampahafantatra ny fandaharam-potoany avy ireo ivokolo na ivontoeran’ny kolontsaina vahiny misy eto an-dRenivohitra. Amin’ny ankapobeny, mbola tena manana ny lanjany eo amin’ny fampivelarana sy fampahafantarana ny kolontsaina malagasy sy ny mpanakanto malagasy izy ireo.

Goavana indrindra amin’ny asan’ireny ivokolo vahiny ireny ny fanandratana ny kolontsaina malagasy avy any ifotony. Hodinihina amin’ny alalan’ny adihevitra hotontosaina etsy amin’ny AFT Andavamamba, ohatra, ny hamadihana ny kolontsain-ndrazana malagasy ho fampidiram-bola ho an’izay manao izany. Tsy natao hanimbana ny maha izy ny kolontsaina malagasy anefa ny fanaovana izany. Fanadihadiana tsy fahita firy kanefa mitondra aina vao ho an’ny kolontsaina malagasy.

Ny CGM Analakely, miezaka ny hampifanatona ireo mpanakanto manana traikefa matanjaka amin’ireo manan-talenta zandry aty aoriana. Iray amin’izany, ohatra, ny fiverenan’ny « Vakojazzana » sy ny « Jazz fusion » miaraka an-dry Solomiral ahitana an’i Hajazz, i Mendrika, i Seta Ramaroson, i Andry Kely, i Rivo Kely, i Fanaiky ary Ny Ony.

Ankoatra ireo rehetra ireo, tsy azo hadinoina ihany koa ny sehatra goavana omen’ireo ivokolo vahiny ireo ny mpanakanto malagasy amin’ny fotoana raikitra. Ohatra, antsa tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny CGM, fampirantiana tanterahina etsy amin’ny IFM Analakely, sns.

… Soa fa nisy ny ivokolo na foibe kolontsaina vahiny tahaka ireny ahafahana mampitsimoka sy mampivelatra ary mampiroborobo ny talentan’ny Malagasy ! Rehefa tsy hahavita ihany ny fanjakana, aiza ho aiza ireo mpanam-bola malagasy amin’ny fananganana foibe kolontsaina sy zavakanto ? Sa ve mbola tena sarotra ny « mampitombo vola » amin’ny fikirakirana kolontsaina ?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.