Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotomanga Eric : “misy tetika maloto”

 “Mazava be fa misy fanamboarana goavana, antsipirian-javatra hoentina manome vahana ny kandidàm-panjakana: ny filoha am-perinasa. Izay no anton’ny tsy namoahana azy tamin’ny fotoana tokony ho nanaovana azy.” hoy ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric.

Aty am-piandohana, ankoatra ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ary ny fanitsakitsahana ny lalàna amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana sy ny volam-panjakana ataon’ny filoha am-perinasa: io koa izany ny tetika maloto amin’ny lalàm-pifidianana, araka ny fanazavany.

Midika izany rehetra izany fa tsy azo ialana, angamba, ny korontana vokatr’izao ataon’ny fitondrana izao. Mamaritra ny lalàna hoe fandinihana sy fandaniana tetibolam-panjakana amin’ny taona manaraka ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera roa tonta. Nefa noho ny fisian’ny raharaham-pirenena hoe hisy fifidianana, ary tsy mbola voaomana ao anatin’izany ireo lalàna mifehy ny fifidianana herintaona latsaka kely mialoha ny fotoana: ara-drariny raha dinihina dieny izao izany.

Nefa tsy entin’ny fitondrana izany volavolan-dalàna izany amin’izay efa nanaovana fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Tsy vitan’ny hoe tsy nasehon’ny fitondrana ny fanitsiana nataony amin’izany volavolana lalàm-pifidianana izany sy tsy naseho koa ny karazana volavolan-dalàna arosony amin’ny Antenimiera, fa tsy nampidirina tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoa nataon’ny Antenimiera roa tonta teo.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.