Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga : Voatafika ny kioska , lasa ny vola 50 tapitrisa Ar

Notafihin’ny jiolahy roa nandeha moto ny kioska fandefasana vola sy fakana vola ao Mahajanga Be, afakomaly tolakandro. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, olona iray hanatitra vola tao no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nokapohin’ireo jiolahy tamin’ny maritoa ny lohan’ilay lehilahy hanatitra vola. Naratra mafy ilay niharam-boina ka lasan’ireo ny kitapokely nisy vola 50 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa nahazo ny vola. Tsikaritry ny polisy iray nandamina fifamoivoizana tsy lavitra ilay kioska voatafika anefa izany ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotry ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Tafaporitsaka kosa ilay namany. Nentina hanoro ny toerana nisy ny namany ilay jiolahy tratra, saingy nahodinkodiny eran’ny tanàna ny polisy sy ilay tompon’ny kioska. Nanara-dia teny ihany ny polisy ka niafara tao amin’ny tranona ramatoa iray notondroin’ilay jiolahy ho nanafenana ilay vola. Tsy hita tao an-trano anefa ilay vola ka voatery notazonin’ny polisy koa ity ramatoa notondroin’ilay jiolahy ity. Mitohy ny fikarohan’ny polisy ilay jiolahy nitondra ilay vola. Miseholany indray, araka izany, ny asan-jiolahy ao Mahajanga.

J.C

Les commentaires sont fermées.