Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jly Andriamahavalisoa Girard : « tsy sitrapo ny fampiakarana galona ho jeneraly fa misy lalàna »

Jly Andriamahavalisoa Girard  : « tsy sitrapo ny fampiakarana galona ho jeneraly fa misy lalàna »

 Nitondra fanazavana momba ny sion-dresaka miely etsy sy eroa momba ny fampiakarana galona ho jeneraly ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andriamahavalisoa Girard, teny amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly. “Tsy sitrapo ny fampiakarana galona fa misy lalàna mazava mifehy izany. Isan’ireo masotsivana amin’ny fampiakarana ny galona ho jeneraly ny didim-panjakana ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra. Nahafeno 5 taona sy enim-bolana nitondra ny galona kolonely (misy aza efa mihoatra izany) ary tsy voasazy tao anatin’ny telo taona farany. Noho izany, tsy ampiakarina fahatany araka ny fieritreretan’ny maro azy”, hoy izy. Nohamafisiny hatrany fa siantifika ny fampiakarana galona. Miisa 14 126 ny isan’ny zandarimaria amin’izao fotoana izao. Roa ihany ny général de corps d’armée (Jly Paza Didier Gérard, Seg teo aloha sy ny minisitry ny Toekarena, ny Jly Raveloharison Herilanto), miisa 20 ny isan’ny général de division raha 28 kosa ny général de brigade. Raha manao ny asany tsara kosa ilay zandary dia rariny raha hampiakarina galona. Misy fampiakarana grady toy izany daholo rehefa mpiasam-panjakana ambony rehetra, toy ny admnisitratera sivily. Mitovy amin’ny toeram-piasana rehetra koa ny eto anivon’ny zandarimariam-pirenena, araka ny nambarany. Tsy misy zavatra mandeha ho azy, araka ny fieritreretan’ny maro azy ny fampiakarana ny galona ho jeneraly. Tsy misy idiran’ny politika na koa hoe akaikin’ny fifidianana dia ampikarina jeneraly ireo manamboninahitra fa misy lalàna mazava mitovy amin’ny mpiasam-panjakana rehetra miakatra grady ary mendrika ny hisitraka izany ny mpiasam-panjakana rehefa miasa tsara, hoy izy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.