Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Havatsa-Upem 2018 : hanandratra mpanoratra telo

Havatsa-Upem 2018 : hanandratra mpanoratra telo

Hiavaka noho ny fahita hatramin’izay ity taona 2018, raha eo amin’ny tontolon’ny asa soratra. Andrarezin’ny asa soratra telo no feno 100 taona ka hasandratry ny Havatsa-Upem : i Célestin Andriamanantena sy i Ener-Lalandy ary i E.D Andriamalala. Raha ny fanazavan’i Hajaina Naomy, filohan’ity fikambanana ity, efa nisy ny fanondroana andro sy izay mety ho zavatra atao amin’izany notapahina. « Na izany aza, tsy maintsy hisy ny dinidinika hifanaovana amin’ireo taranak’ireto mpanoratra ireto hisian’ny firindrana tsara, hoy izy.

Ny 19 sy 20 ary 21 febroary, hanandratana an’i Célestin Andriamanantena. Hetsika mifanitsy amin’ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Vinavinaina atao ao amin’ny Tahala Rarihasina izy io. Ny 21 marsa, hanandratana an’i Ener-Lalandy eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. « Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia » io. Ny 22 oktobra, sady fanokafana ny « Herinandron’ny Havatsa » eny amin’ny Akademia malagasy eny Tsimbazaza no fanandratana an’i E.D Andriamalala izy feno 100 taona katroka amin’io andro io.

Nomarihin’ny filohan’ny Havatsa-Upem fa tsy ireo mpanoratra efa nodimandry ihany akory no hanatanterahana fanandratana tahaka izao fa hisy ihany koa ireo mpanoratra mbola velona. Anisan’ireny Ralako, i Abel Andriarimalala, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.