
Ny eto an-toerana, mahafantatra tsara ny talentan’i Volahasiniaina sy i Judith M. Tsy ho diso anjara ihany koa ny any ivelany. Roso ny dia…
Tsara fanombohana ny taona 2018 ho an’i Volahasiniaina Linda, mpitendry zavamaneno, sy i Judith Manantenasoa, mpanao soradihy. Vao lasa any Frantsa, avy eo, hihazo an’i Bruxelles izy mirahavavy ireto, hitondra an-tsehatra ny soradihy mitondra ny lohateny hoe « Métamorphose ».
Tsy ny talentany amin’ny fitendrena valiha na koa fivelesana amponga na zavamaneno hafa, izay marobe ny voafehiny, no hasehon’i Volahasiniaina any ampitan-dranomasina any fa ny fahaizany milalao hazavana. Eny tokoa, izy no namorona ny hazavana, izay manan-danja sy mifamatotra tanteraka amin’ny hevitra entin’ny soradihy, ao anatin’ity piesy « Métamorphose » ity. Haharitra iray volana ny dian’izy roa vavy any ary hiaka-tsehatra intelo izy ireo.
Ho an’i Volahasiniaina Linda manokana, hifantoka kokoa amin’ny famoronana ho an’ny tarika entiny sy ny fisehoan’izy ireo an-tsehatra ny vaindohan-draharahany, mandritra ity taona vaovao ity, araka ny nambarany. Raha tsiahivina, maromaro ny fivoahany tany ivelany, tamin’ny taon-dasa.
Anisan’izany ny fiarahany amin’ny tarika Labelle, avy atsy La Réunion. Tamin’ny anarany manokana ireny ary tsy ho tapaka akory. Ny amin’ity taona ity kosa, hibahana amin’ny fandaharam-potoany ireo mpitendry tarihiny. Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fizarana traikefa sy fampiofanana homen’i Volahasiniaina, toy ny hetsika « Anthakarana », fanaony isaky ny volana septambra.
Landy R.
Les commentaires sont fermées.