Namboarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny làlana miainga eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be 194 eo Andranomena mitohy eny Ambatolampy. Simba tanteraka ary tsy azon’ny fiara nandehanana intsony mihitsy io ampahan-dalana mirefy 500 m io tao anatin’ny telo herinandro.
Tsy nisy sahy nandeha teo intsony na ny fiara tsy mataho-dalana aza noho ny haratsian’ny lalana. Voatery mihodina any Ambohibao ny taxi-be mampitohy amin’ny fokontanin’Ambatolampy. Tsy ampy ny lakandrano mitondra ny riaka amin’iny lalana iny ka lasa mivarina eny amin’ny arabe avokoa ny rano. Mahery vaika ny riaka ka mikaoka ny arabe ary mandavaka mihitsy.
Nandray ny andraikiny ny avy ao amin’ny boriborintany fahenina ka niasa avy hatrany nandravona ny kitaontaona ho azon’ny fiara andehanana. Nanambara ny lehiben’ny boriboritany fahenina fa vonjimaika ihany ity asa ity satria tena mijaly ny vahoaka rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra toy izao fa hatao araka ny tokony ho izy ihany io lalana io atsy ho atsy.
Nanome fitaovana hiasana toy ny “niveleuse” sy “compacteur” ny mpanolo-tsain’ny tanàna, Ravalomanana Marc.
Marihina fa efa niseho hanamboatra ity lalana ity koa ny lehiben’ny faritra Analamanga ary nanao ny filazana mipoapoaka kanefa tsy hita ny fandraisany anjara, hatreto, fa kobaka am-bava ihany izany hatreto. Ny kaominina Antananarivo no namaha mivantana sy haingana ny olan’ny mponina mipetraka eny an-toerana.
Randria
Les commentaires sont fermées.