
Nitondra ny heviny amin’ny raharaham-pirenena ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Anisan’ny voaresaka ny fifidianana sy ny hiatrehana izany.
« Misokatra ho an’ny rehetra isika ary vonona hifampiresaka amin-dRajoelina ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena… Vonona hanaraka ny mety hamoahana fifanarahana politika momba ny lalàm-pifidianana koa izahay », hoy izy. Nanteriny fa ho hita eo ny tena hiafaran’ny raharaha politika eto amintsika rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny latsa-bato. Nanomezanany valin-teny ny mpanao gazety avokoa ireo raharaha politika. Nisongadina nandritra izany ny filazany fa tsy nanao fifanarahana tamin’ny filoha Rajaonarimampianina velively ny tenany. “Maro tokoa tato ho ato ireo alaim-panahy miteny izany tany anaty tambahotran-tserasera sy ny fampahalalana vaovao, saingy tsy marina”, hoy ihany izy.
Tsy mahafehy ny fitantanana ny mpitondra
Nohitsiny koa anefa fa betsaka loatra ny tsy fahafehezan’ny mpitondra ankehitriny ny fitantanana ny firenena. Hita ho tena nifanipaka tanteraka izany ireo mpanao politika ireo ankehitriny. Noraisiny ho ohatra ny tranga niseho tany Toliara ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. « Manaporofo ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny mpitondra ny fanirahana minisitra hanakana ny hetsika nataonay tahaka ireny. Tsy homeko tsiny ny mpitandro filaminana, satria manatanteraka baiko izy ireo », hoy ihany ny mpanorina ny Tim. Mbola nanteriny fa ho sarotra ny hanakanana sy hanilihana azy tsy ho kandidà, raha tetiky ny mpitondra izany. “Tsy mety ny fanilikilihana fa miteraka krizy”, hoy Ravalomanana.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.