
Nofohazina tampoka indray ? “Migadra mandra-pahafaty Ravalomanana Marc, araka ny didim-pitsarana momba ny “Raharaha 7 febroary”, miaraka amin’ny miaramila roa hafa. Ara-dalàna ny fitsarana azy fa tsy marina ny filazana fa tsy manan-kery izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rasolo Elise Alexandrine, omaly teny Faravohitra. Notsiahiviny fa tsy teto an-toerana ny filoha teo aloha tamin’io fotoana io fa efa sesitany tany ivelany. “Hampahafantarina azy izany didim-pitsarana izany satria tsy natrehiny ny fitsarana. Afaka manao fanoherana anefa izy anatin’ny fe-potoana omena ary haverina ny fitsarana. Mihatra anefa ny didim-pitsarana ary meloka tanteraka izy raha tsy mampiakatra ny raharaha ny filoha teo aloha raha dila izany fotoana izany”, hoy ihany ny minisitra.
Fifidianana andraisan’ny rehetra anjara
Nitondra valin-kafatra ny filoha teo aloha, Ravalomanana. « Tsy ny fitsarana momba ny ady heloka bevava no tokony hitsara ahy fa ny Fitsarana avo (HCJ). Efa maro ny fitoriana sy fanohanana didy nataonay tany ivelany. Voafafan’ny fifanarahana politika, nataon’ny Sadc sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanamelohana tahaka izany…”, hoy izy teny Faraovohitra, omaly.
Midika izany fa miseho izao resaka “Raharaha 7 febroary” izao, volana vitsy mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Andro vitsy koa taorian’ilay tranga niseho tany Toliary farany teo, nanakantsankanana ny hetsika nokasain’ny Tim hatao. Hampilamina sy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena avokoa izany rehetra izany ? Manana ny mpanara-dia azy ity filoha teo aloha ity ary efa nandrangaranga fa ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Ny avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, efa nanitrikitrika fa tokony halalaka ary tsy misy azo ailika, handraisan’ny rehetra anjara izany fifidianana izany. Manoloana ireo rehetra ireo, ho tonga hatraiza indray ity raharaha ity ?
Randria
Les commentaires sont fermées.