Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arfa Houcine Yerres : alefa any Frantsa ny dosie

Arfa Houcine Yerres : alefa any Frantsa ny dosie

Nilaza ny minisitry ny Fitsarana, Rasolo Elise Alexandrine, omaly, teny amin’ny birao fiasany teny Faravohitra fa nangatahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ilay vazaha antsoina hoe Arfa Houcine Yerres. «Efa misy io didy fampisamborana io, ary misy ihany koa ny famindrana ireo antontan-taratasin’ady any Frantsa momba ity raharaha ity”, hoy ny fanazavana. Efa voasazy telo taona an-tranomaizana eny Tsiafahy izy ity, ny volana jona 2017, noho ny fitazonana fitaovam-piadiana, fakana an-keriny, fikasana hamono ny filoha. Ny 28 desambra teo anefa izy no tafatsoaka niaraka tamin’ny vadiny rehefa nentina namonjy hopitaly ho eny amin’ny fonjan’Antanimora. Voalaza tamin’izany fa nisy fiara 4×4 roa nibahana ny lalan’ny taxi nitondrana azy, ary tsy hita nanomboka teo. Nampandosirina nankany Mayotte ary nihazo an’i Frantsa. Nandeha ny famotorana ary nisy mpiandry fonja telo naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. « Tsy mijanona amin’izy ireo irery akory ny fanadihadiana fa mbola mitohy izany. Toy izany koa ny fanadihadiana any ivelany. Efa nisy rahateo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fitsarana frantsay sy malagasy », hoy ny minisitra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.